-
1 Mpanjaka 22:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Novorin’ny mpanjakan’ny Israely àry ny mpaminany 400 lahy teo ho eo. Hoy izy tamin’izy ireo: “Handeha hanafika an’i Ramota-gileada ve aho, sa tsy handeha?” Dia hoy izy ireo: “Mandehana fa hataon’i Jehovah resinao ilay tanàna, ry mpanjaka!”
-
-
1 Mpanjaka 22:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mbola misy lehilahy iray any azontsika asaina manontany an’i Jehovah.+ I Mikaia zanak’i Jimla! Halako anefa izy+ satria tsy mba maminany zavatra tsara momba ahy mihitsy fa zava-dratsy foana.”+ Hoy anefa i Josafata: “Aza dia miteny hoatr’izany, ry mpanjaka ô!”
-
-
Isaia 9:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ny mpitarika an’ity vahoaka ity ihany no mampirenireny azy,
Ka sahiran-tsaina ny olona tarihiny.
-
-
Jeremia 6:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Samy maka tombony azo amin’ny tsy marina+ ny olona, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+
14 Miezaka manasitrana ny ratran’ny* vahoakako izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo:
‘Fiadanana! Fiadanana!’
Nefa tsy misy fiadanana akory.+
-
-
Ezekiela 13:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Ry zanak’olona, maminania hoe hisy loza hanjo an’ireo mpaminanin’ny Israely.+ Lazao amin’izay mamoromporona faminaniana*+ hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah. 3 Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hahita loza izay mpaminany adala maminany an’izay ao an-tsainy fotsiny, nefa tsy nahita na inona na inona akory!+
-