-
Jeremia 7:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ahitsio tanteraka ny lalanareo sy ny ataonareo, ary tsarao araka ny rariny ny olona sy izay miady aminy.+ 6 Aza ampijalina ny hafa firenena monina eo aminareo sy ny kamboty* ary ny mpitondratena,+ ary aza mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny eto amin’ity toerana ity. Aza manompo andriamani-kafa ka hahatonga loza aminareo.+ 7 Raha mankatò an’izany ianareo, dia havelako hipetraka mandrakizay* eto amin’ity toerana ity, izany hoe eo amin’ilay tany nomeko ho an’ny razambenareo.”’”
-
-
Jeremia 25:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nilaza ireny mpaminany ireny hoe: ‘Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo sy ny ratsy fanaonareo+ e! Amin’izay ianareo hipetraka ela ao amin’ilay tany nomen’i Jehovah anareo sy ny razambenareo efa hatramin’ny ela. 6 Aza manaraka andriamani-kafa na manompo an’ireny na miankohoka aminy, ka hampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tananareo. Raha tsy izany, dia hahatonga loza aminareo aho.’
-