34 Fa tsy niakatra tany an-danitra i Davida, fa izy aza nilaza hoe: ‘Hoy i Jehovah* tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako 35 mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”’+
12 Fa izy kosa nanao sorona anankiray noho ny ota, dia sorona indray mandeha fotsiny. Ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra+ izy avy eo. 13 Nanomboka tamin’izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.+