2 Nisy mpaminany sandoka koa anefa teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo.+ Ireny no hanangana mangingina antokom-pinoana mampidi-doza. Ary handa an’ilay tompo nividy azy mihitsy aza izy ireny,+ ka ho ringana haingana noho izany zavatra ataony izany.