-
Marka 14:12-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ary tonga ny andro voalohany hankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay,+ izay andro fanolorana ny biby atao sorona amin’ny Paska.+ Dia hoy ny mpianany taminy: “Aiza no tianao hikarakaranay ny sakafon’ny Paska?”+ 13 Koa naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy, nanao hoe: “Mankanesa any an-tanàna ianareo, dia hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny tany feno rano. Araho izy,+ 14 ka ao amin’izay idirany dia ilazao ny tompon-trano hoe: ‘Niteny ny Mpampianatra hoe: “Aiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin’ny mpianatro?”’ 15 Dia hasehony anareo ny efitra malalaka iray any ambony rihana, izay efa misy fanaka sady efa vonona. Karakarao ao ny sakafon’ny Paska ho antsika.” 16 Lasa àry ireo mpianany ireo nankao an-tanàna, ka hitan’izy ireo daholo izay nolazainy taminy. Ary nokarakarain’ireo ny Paska.
-
-
Lioka 22:7-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tonga ny andro voalohany hankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia ilay andro tsy maintsy hamonoana ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska.+ 8 Koa naniraka an’i Petera sy Jaona i Jesosy, ka niteny hoe: “Mandehana manomana ny Paska hohanintsika.”+ 9 Dia hoy izy ireo taminy: “Aiza no tianao hanomananay azy?” 10 Namaly izy hoe: “Rehefa miditra ao an-tanàna ianareo, dia hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny tany feno rano. Araho any amin’izay trano idirany izy.+ 11 Ary ilazao ny tompon-trano hoe: ‘Niteny ny Mpampianatra hoe: “Aiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin’ny mpianatro?”’ 12 Dia hasehony anareo ny efitra malalaka iray any ambony rihana, izay efa misy fanaka. Ao omanina ny Paska.” 13 Lasa àry izy roa lahy, dia hitan’izy ireo daholo izay nolazainy tamin’izy ireo. Ary nokarakarain’izy ireo ny Paska.
-