-
Marka 14:17-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Dia tonga i Jesosy sy ny 12 Lahy, ny harivan’iny.+ 18 Rehefa naka toerana* hisakafo teo amin’ny latabatra izy ireo, dia hoy i Jesosy: “Lazaiko marina aminareo fa hamadika ahy ny iray aminareo, dia ilay miara-mihinana amiko.”+ 19 Ary nalahelo izy ireo, ka samy nanontany azy hoe: “Izaho ve izany?” 20 Dia hoy izy tamin’ireo: “Iray aminareo 12 Lahy ilay izy, ilay miara-manatsoboka ny mofony amiko ao anaty vilia.+ 21 Fa handeha ny Zanak’olona, araka ny efa voasoratra momba azy, nefa hahita loza ilay olona hamadika ny Zanak’olona!+ Tsara kokoa ho an’ilay olona raha tsy teraka akory.”+
-