-
Marka 14:48, 49Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
48 Dia hoy i Jesosy tamin’ireo: “Tonga hisambotra ahy miaraka amin’ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr’ireny hisambotra jiolahy ireny?+ 49 Isan’andro aho niaraka taminareo, tamin’izaho nampianatra tao amin’ny tempoly,+ nefa tsy nosamborinareo. Mitranga anefa izao mba ho tanteraka ny Soratra Masina.”+
-
-
Lioka 22:52, 53Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
52 Dia hoy i Jesosy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny anti-panahy izay tonga teo hisambotra azy: “Tonga atỳ miaraka amin’ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr’ireny hisambotra mpangalatra ireny?+ 53 Niaraka taminareo tao amin’ny tempoly aho isan’andro,+ nefa tsy nisambotra ahy ianareo.+ Fa tonga izao ny fotoananareo sy ny fahefan’ny haizina.”+
-