-
Matio 16:13-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Rehefa tonga tao amin’ny faritr’i Kaisaria-Filipo i Jesosy, dia nanontany an’ireo mpianany hoe: “Iza, hono, ny Zanak’olona raha ny filazan’ny olona?”+ 14 Dia hoy ireo: “Misy milaza hoe Jaona Mpanao Batisa,+ misy indray miteny hoe Elia,+ ary misy koa miteny hoe Jeremia na ny iray amin’ny mpaminany.” 15 Ary hoy izy taminy: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?”
-
-
Lioka 9:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Taorian’izay, tamin’izy nivavaka irery, dia tonga teo aminy ny mpianatra ka nanontaniany hoe: “Iza, hono, aho raha ny filazan’ny olona?”+ 19 Hoy ny navalin’izy ireo: “Jaona Mpanao Batisa. Misy koa anefa milaza hoe Elia, ary misy miteny hoe ny iray amin’ny mpaminany taloha efa nitsangana tamin’ny maty.”+
-