-
Matio 9:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Taorian’izay, rehefa nisakafo* tao an-trano izy, dia nisy mpamory hetra sy mpanota be dia be tonga nisakafo* niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany.+ 11 Hoy anefa ny Fariseo tamin’ny mpianany, rehefa nahita an’izany: “Fa maninona ny mpampianatra anareo no miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?”+
-
-
Lioka 5:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Dia nanao fanasambe ho an’i Jesosy i Levy, tao an-tranony. Nisy mpamory hetra be dia be sy olon-kafa koa tao, nisakafo* niaraka tamin’izy ireo.+ 30 Dia nimenomenona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna teo amin’izy ireo hoe: “Fa maninona ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?”+
-