-
Eksodosy 20:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Enina andro+ ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin’ny tanàna kelinao.*+
-
-
Deoteronomia 5:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.+ 14 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona,+ na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tanànanao.*+ Amin’izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr’anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+
-