-
Lioka 9:46-48Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
46 Ary nifamaly ny mpianatra hoe iza tamin’izy ireo no lehibe indrindra.+ 47 Fantatr’i Jesosy ny tao am-pon’izy ireo, ka nalainy ny zaza anankiray ary nasainy nitsangana teo akaikiny, 48 dia hoy izy tamin’izy ireo: “Izay mandray an’ity zaza ity amin’ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’Ilay naniraka ahy.+ Fa izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.”+
-