-
Marka 6:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nasainy nankeo aminy izy 12 Lahy, dia tamin’izay izy no nanomboka naniraka azy tsiroaroa.+ Ary nomeny fahefana hamoaka fanahy maloto izy ireo.+ 8 Nandidy azy ireo koa izy mba tsy hitondra na inona na inona rehefa mandeha, afa-tsy tehina ihany, ka tsy hitondra mofo, na kitapom-batsy, na vola* ao anaty fehikibony,+ 9 nefa hanao kapa, ary tsy hanao akanjo roa.*
-