15Vao nazava ratsy ny andro, dia niara-nidinika ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dalàna, izany hoe ny Fitsarana Avo Jiosy manontolo. Ary nofatoran’izy ireo i Jesosy, dia nentiny ka natolony an’i Pilato.+
28 Dia niala tao amin’i Kaiafa izy ireo ka nentiny tany an-tranon’ny governora+ i Jesosy. Vao maraina be tamin’izay. Tsy niditra tao an-tranon’ny governora anefa izy ireo mba tsy ho voaloto.+ Te hihinana ny sakafon’ny Paska mantsy izy ireo.