-
Matio 28:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary hoy ilay anjely tamin’izy roa vavy: “Aza matahotra. Fantatro fa mitady an’i Jesosy, ilay novonoina teo amin’ny tsato-kazo, ianareo.+ 6 Tsy ato izy fa efa natsangana, araka ny efa nolazainy.+ Avia, jereo ilay toerana nisy ny fatiny. 7 Mandehana haingana teneno ny mpianany hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy. Hialoha anareo any Galilia+ izy, dia any no hahitanareo azy.’ Hiteny an’izany aminareo no nahatongavako eto.”+
-
-
Marka 16:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Rehefa niditra tao am-pasana izy ireo, dia gaga nahita tovolahy nanao akanjo fotsy lava nipetraka teo ankavanana. 6 Hoy ilay tovolahy tamin’ireo: “Aza gaga ianareo.+ Fantatro fa mitady an’i Jesosy avy any Nazareta, ilay novonoina teo amin’ny tsato-kazo, ianareo. Efa natsangana+ izy ka tsy ato. Jereo fa teto no nametrahana azy.+ 7 Mandehana milaza amin’ny mpianany sy amin’i Petera hoe: ‘Hialoha anareo any Galilia izy,+ dia any no hahitanareo azy, araka ny efa nolazainy taminareo.’”+
-