Matio 3:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Tatỳ aoriana, dia tonga nitory+ tany an-tany efitr’i Jodia i Jaona+ Mpanao Batisa. Matio 3:5, 6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Dia nivoaka hihaino an’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana.+ 6 Nataony batisa* tao amin’ny Reniranon’i Jordana+ izy ireo sady niaiky ny fahotany teo imason’ny olona. Marka 6:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Natahoran’i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny avy nihaino an’i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy.
5 Dia nivoaka hihaino an’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana.+ 6 Nataony batisa* tao amin’ny Reniranon’i Jordana+ izy ireo sady niaiky ny fahotany teo imason’ny olona.
20 Natahoran’i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny avy nihaino an’i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy.