25 Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.+ Izay maneho finoana ahy, na maty aza, dia ho velona indray. 26 Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.+ Mino an’izany ve ianao?”
6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany.+ Tsy hanam-pahefana+ amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa.+ Ho mpisoron’Andriamanitra+ sy Kristy kosa izy ireo, ka hiara-manjaka aminy 1 000 taona.+