-
Matio 26:6-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tamin’i Jesosy tao an-tranon’i Simona boka, tany Betania,+ 7 dia nanatona azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoahangy vatosanga feno menaka manitra lafo vidy. Nararak’ilay vehivavy teo an-dohan’i Jesosy ilay izy, tamin’i Jesosy mbola nisakafo* iny. 8 Tezitra ny mpianatra rehefa nahita an’izany, ka niteny hoe: “Fa maninona no mandanilany foana hoatr’izao? 9 Azo namidy lafo be izao iny, dia nomena ny mahantra ny vola.” 10 Fantatr’i Jesosy ny zavatra noresahin’izy ireo, ka hoy izy taminy: “Fa maninona no ataonareo an’izany io vehivavy io? Tena tsara ny nataony tamiko.
-
-
Marka 14:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Tamin’izy nisakafo* tao an-tranon’i Simona boka, tany Betania, dia tonga ny vehivavy anankiray. Nitondra tavoahangy vatosanga feno menaka manitra lafo vidy be izy io, ary narda tena izy ilay menaka. Novakin’ilay vehivavy ilay tavoahangy, dia nararany teo an-dohan’i Jesosy ilay menaka.+ 4 Dia tezitra ny sasany ka nifampiresaka hoe: “Fa maninona no lanilanina fotsiny hoatr’izao iny menaka manitra iny? 5 Azo namidy 300 denaria* mahery izao iny menaka iny, dia nomena ny mahantra ny vola!” Dia sorena be tamin’ilay vehivavy* izy ireo. 6 Hoy anefa i Jesosy: “Avelao izy. Fa maninona no ataonareo an’izany izy? Tena tsara ny nataony tamiko.+
-