-
Deoteronomia 21:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “Raha misy olona manao fahotana azo anamelohana azy ho faty, ka novonoina+ izy ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo,+ 23 dia tsy tokony hajanona eo mandritra ny alina ny fatiny,+ fa tokony halevina amin’iny andro iny ihany. Voaozon’Andriamanitra mantsy izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.+ Tsy tokony holotoinao ny taninao, izay homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.+
-
-
Matio 27:57-60Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
57 Rehefa harivariva ny andro, dia tonga ny lehilahy iray mpanankarena avy any Arimatia. Josefa no anarany ary mpianatr’i Jesosy koa izy.+ 58 Nankany amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy.+ Dia namoaka didy i Pilato hoe homena azy ilay faty.+ 59 Nalain’i Josefa àry ilay faty ka nofonosiny lamba madio vita tamin’ny rongony tena tsara.+ 60 Dia napetrany tao amin’ny fasany vaovao+ nolavahany tao amin’ny vatolampy ilay izy. Ary nanakodia vato be teo am-baravaran’ilay fasana izy, dia lasa.
-
-
Marka 15:43-46Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Dia tonga i Josefa avy any Arimatia. Lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nisikina herim-po izy ka nankany amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.+ 44 Tian’i Pilato ho fantatra anefa raha efa maty sahady i Jesosy, ka nantsoiny ilay manamboninahitra dia nanontaniany. 45 Rehefa avy naka toky tamin’ilay manamboninahitra àry i Pilato, dia nekeny hoe homena an’i Josefa ilay faty. 46 Rehefa avy nividy lamba rongony tena tsara i Josefa, dia nampidininy ilay faty ka nofonosiny tamin’ilay lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin’ny fasana+ iray nolavahana tao amin’ny vatolampy. Nanakodia vato teo am-baravaran’ilay fasana izy avy eo.+
-