-
Asan’ny Apostoly 22:6-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Raha mbola teny an-dalana anefa aho ary efa akaiky an’i Damaskosy, tamin’ny mitataovovonana teo ho eo, dia nisy hazavana be tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina ahy.+ 7 Dia nianjera tamin’ny tany aho, ary naheno feo nilaza tamiko hoe: ‘Saoly, Saoly, fa maninona ianao no manenjika ahy?’ 8 Koa namaly aho hoe: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Ary hoy izy: ‘Izaho no Jesosy avy any Nazareta, ilay enjehinao.’ 9 Tena nahita an’ilay hazavana koa ireo lehilahy niaraka tamiko, saingy tsy naheno an’izay nolazain’ilay niresaka tamiko. 10 Dia niteny aho hoe: ‘Inona, tompoko, no tokony hataoko?’ Ary hoy ny Tompo tamiko: ‘Mitsangàna dia mandehana any Damaskosy, fa hisy olona any hilaza aminao an’izay rehetra asaina ataonao.’+ 11 Tsy nahita na inona na inona anefa aho satria namirapiratra be ilay hazavana, ka notantanan’ireo niaraka tamiko nankany Damaskosy.
-
-
Asan’ny Apostoly 26:13-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Raha mbola teny an-dalana aho, tamin’ny mitataovovonana, ry Mpanjaka ô, dia nahita hazavana avy any an-danitra izay nanjelanjelatra mihoatra noho ny masoandro. Nanodidina ahy sy ireo niara-dia tamiko ilay izy.+ 14 Dia nianjera tamin’ny tany daholo izahay rehetra, ary naheno feo aho nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo hoe: ‘Saoly, Saoly, fa maninona no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana* ianao e!’ 15 Fa hoy aho: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Dia hoy ny Tompo: ‘Izaho no Jesosy, ilay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, dia mijoroa! Miseho aminao aho satria hifidy anao ho mpanompo, sy ho vavolombelona hanambara ny zavatra efa hitanao sy mbola hasehoko anao momba ahy.+ 17 Ary hamonjy anao amin’ity vahoaka ity sy amin’ny hafa firenena izay anirahako anao aho.+ 18 Hirahiko ianao mba hanokatra ny masony,+ ka hialany amin’ny haizina+ ho ao amin’ny mazava,+ ary hialany amin’ny fahefan’i Satana+ ho eo ambany fahefan’Andriamanitra. Amin’izay izy ireo hahazo famelan-keloka+ ary hahazo lova miaraka amin’ireo nohamasinina noho izy ireo mino ahy.’
-