-
Matio 28:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary iny i Jesosy fa nifanena tamin’izy ireo sady niteny hoe: “Manahoana ianareo!” Dia nanatona izy ireo, ka nitazona azy tamin’ny tongony sady niankohoka teo anatrehany.
-
-
1 Korintianina 15:4-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 ary nalevina+ izy dia natsangana tamin’ny maty+ tamin’ny andro fahatelo,+ araka ny Soratra Masina.+ 5 Niseho tamin’i Kefasy*+ izy, ary avy eo tamin’izy 12 Lahy.+ 6 Taorian’izany, dia niseho tamin’ny rahalahy maherin’ny 500 indray niaraka izy,+ ary mbola eto amintsika ny ankamaroany, fa ny sasany kosa efa nodimandry.* 7 Dia niseho tamin’i Jakoba+ izy avy eo, ary tamin’ny apostoly rehetra+ taorian’izay.
-