-
Asan’ny Apostoly 28:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Rehefa nanangona kitay sy nisorona afo anefa i Paoly, dia nisy bibilava misy poizina nivoaka avy tao, noho ny hafanana, ka niraikitra tamin’ny tanany. 4 Vao hitan’ireo olona ireo ilay bibilava nikirazorazo teo amin’ny tanany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na tonga soa aman-tsara avy teny an-dranomasina aza izy, dia tsy namela azy ho velona ny Rariny.”* 5 Nakifik’i Paoly tao anaty afo anefa ilay bibilava, ary tsy naninon-tsy naninona izy. 6 Fa ny olona kosa niandriandry hoe hivontovonto izy na hiankarapoka ho faty tampoka. Rehefa niandry ela anefa izy ireo ary nahita fa tsy naninona izy, dia niova hevitra ka nilaza fa andriamanitra i Paoly.
-