-
Asan’ny Apostoly 27:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Nisy anjelin’ilay+ Andriamanitra tompoko sady anaovako fanompoana masina mantsy nitsangana teo akaikiko tamin’ny alina, 24 dia niteny hoe: ‘Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao.+ Ary hitsimbina ny ainao Andriamanitra sady hitsimbina ny ain’izay rehetra miara-dia aminao ato anaty sambo.’
-
-
Asan’ny Apostoly 28:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Koa nanao fotoana tamin’i Paoly izy ireo, ary vao mainka maro kokoa no tonga tao an-tranony. Dia nohazavain’i Paoly tsara* tamin’izy ireo ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny maraina mandra-paharivan’ny andro. Te handresy lahatra azy ireo momba an’i Jesosy+ mantsy izy, ka nampiasa ny Lalàn’i Mosesy+ sy izay noresahin’ny Mpaminany.+
-