-
Galatianina 5:19-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana,*+ fahalotoana, fitondran-tena tsy misy henatra,*+ 20 fanompoan-tsampy, filalaovana ody,*+ fankahalana, ady, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifamaliana, fisaratsarahana, fananganana antokom-pinoana,* 21 fitsiriritana, fimamoana,+ fety tsy voafehy,* ary zavatra hafa hoatran’ireo.+ Mampitandrina anareo mialoha aho, hoatran’ny efa nampitandremako anareo, fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo zavatra ireo.+
-