-
Genesisy 3:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary hoy indray izy tamin’i Adama:* “Satria ianao nihaino ny vadinao* ka nihinana tamin’ny voan’ilay hazo nandidiako anao hoe:+ ‘Aza hanina io’, dia voaozona ny tany noho ny nataonao.+ Hijaly ianao vao ho afaka hihinana ny vokatry ny tany, mandritra ny androm-piainanao.+ 18 Dia haniry tsilo sy ahidratsy ny tany, ary zavamaniry eny an-tsaha no hohaninao. 19 Ary ho tsemboka ianao vao hahazo sakafo,* mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao.+ Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray.”+
-