-
Romanina 5:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary tsy izany ihany fa aoka koa isika hifaly* ao anatin’ny fahoriana,+ satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga fiaretana.+ 4 Ny fiaretana indray mahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra,+ ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga antsika hanana fanantenana,+ 5 ary ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana,+ satria efa natao ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina nomena antsika.+
-