38 “Aoka àry ho fantatrareo, ry rahalahy, fa amin’ny alalany no hahazoana famelan-keloka, ary izany no torina aminareo.+ 39 Ary ambara ho tsy manan-tsiny amin’ny alalany koa izay rehetra mino.+ Tsy afaka nanambara anareo ho tsy manan-tsiny amin’ny zava-drehetra mantsy ny Lalàn’i Mosesy.+