-
Asan’ny Apostoly 15:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Rehefa avy niady hevitra be izy ireo, dia nitsangana i Petera ka nilaza hoe: “Ry rahalahy, fantatrareo tsara fa efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nifidy ahy teo aminareo, mba ho amin’ny alalako no handrenesan’ny hafa firenena ny tenin’ny vaovao tsara, ka hinoany.+ 8 Ary Andriamanitra, izay mahalala ny fo,+ no nanome porofo hoe ankasitrahany izy ireo tamin’ny nanomezany azy ireo ny fanahy masina,+ hoatran’ny nataony tamintsika koa. 9 Ary nitovy ihany ny nitondrany antsika sy ry zareo,+ satria nodioviny koa ny fon’izy ireo noho ry zareo naneho finoana.+
-