-
1 Korintianina 3:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Fa raha milaza ny iray hoe: “Izaho an’i Paoly”, ary ny iray kosa hoe: “Izaho an’i Apolosy”,+ tsy toy ny ataon’ny olon-kafa rehetra ihany ve no ataonareo?
5 Koa inona àry i Apolosy? Ary inona i Paoly? Mpanompo+ fotsiny ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, araka ny fanompoana nomen’ny Tompo azy ireo tsirairay avy.
-
-
1 Korintianina 3:21-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Aoka àry tsy hisy hanao olona ho reharehany, fa anareo daholo ny zava-drehetra: 22 Na i Paoly izany, na i Apolosy, na i Kefasy,*+ na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy. Anareo daholo ny zava-drehetra. 23 Ianareo kosa an’i Kristy,+ ary i Kristy an’Andriamanitra.
-