-
Romanina 15:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Tsy hiresaka zavatra hafa aho, afa-tsy izay nataon’i Kristy tamin’ny alalako, mba hahatonga ny hafa firenena hankatò azy noho izay nolazaiko sy nataoko, 19 sy noho ny herin’ny famantarana sy ny zava-mahagaga*+ ary ny herin’ny fanahin’Andriamanitra. Vitako tsara àry ny nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy,+ nanomboka tany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Ilyrikiona.
-
-
1 Korintianina 4:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Tsy izay lazain’ny olona mantsy no manaporofo hoe manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra izy, fa ny herin’ny fanahin’Andriamanitra eo aminy.
-
-
1 Tesalonianina 1:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 satria ilay vaovao tsara notorinay taminareo dia tsy hoe teny fotsiny, fa hafatra mafonja koa. Nampian’ny fanahy masina koa izahay tamin’izahay nitory taminareo, sady tena niaiky fa marina ny zavatra notorinay. Ary fantatrareo hoe lasa hoatran’ny ahoana izahay teo aminareo, mba hahasoa anareo.
-