-
2 Korintianina 7:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Fa tsy manenina aho na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako.+ Na dia nanenina aza aho tamin’ny voalohany,—rehefa hitako fa nampalahelo anareo ilay taratasy, na dia vetivety ihany aza— 9 dia faly aho izao, satria tsy hoe nahatonga anareo halahelo fotsiny ilay izy, fa izany alahelo izany koa no nahatonga anareo hibebaka. Fa lasa nalahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra ianareo, ka tsy nisy vokany ratsy taminareo ny zavatra nolazainay.
-