-
Efesianina 3:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tsy nampahafantarina an’io zava-miafina io ny taranaka tany aloha, nefa izao ilay izy naharihary tamin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny, tamin’ny alalan’ny fanahy masina.+ 6 Izao ilay zava-miafina: Rehefa lasa tafaray amin’i Kristy Jesosy sy nanaiky ny vaovao tsara ny hafa firenena, dia tokony ho mpiray lova aminay sy anisan’ilay vatana+ iray ihany. Dia hahazo an’ilay zavatra nampanantenain’Andriamanitra anay koa izy ireo. 7 Lasa mpanompo miandraikitra an’izany àry aho, noho ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra tamiko, ary fanomezana maimaim-poana izany. Nanehoany an’izany hatsaram-panahy izany aho tamin’izy nampiseho ny heriny tamiko.+
-