-
2 Timoty 2:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ialao kosa ny resaka tsy misy fotony manazimbazimba zava-masina,+ satria vao mainka hahatonga ny olona tsy hatahotra an’Andriamanitra izany, 17 sady hitatra hoatran’ny fery mandoaka.* Anisan’ny mpanao an’izany i Hymeneo sy Fileto.+ 18 Niala tamin’ny fahamarinana ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty.+ Koa nanimba ny finoan’ny sasany izy ireo.
-