-
1 Timoty 3:2-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ny mpiandraikitra àry dia tokony ho olona tsy misy hokianina, manambady tokana, mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaony, misaina tsara,*+ tia filaminana, tia mandray vahiny,+ mahay mampianatra,+ 3 tsy mamo lava,+ tsy mahery setra,* fa mpandefitra,*+ tsy mpila ady,+ tsy tia vola,+ 4 mahay mitondra* tsara ny ankohonany, sady manana zanaka mankatò sy manaja azy tsara+ 5 —fa raha misy lehilahy tsy mahay mitondra* ny ankohonany, dia ho hainy ve ny hikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?—, 6 tsy zazavao amin’ny finoana,+ sao izy hirehareha ka ho voaheloka hoatran’ny nanamelohana ny Devoly. 7 Tokony ho tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany+ koa izy, mba tsy ho afa-baraka na ho latsaka ao amin’ny fandriky ny Devoly.
-