-
Nomery 14:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Saingy izao: Efa nahita ny voninahitro sy ny famantarana+ nataoko tany Ejipta sy tatỳ an-tany efitra ireo lehilahy ireo. Mbola mitsapa toetra ahy ihany+ anefa ry zareo efa impolo izay, sady tsy nihaino ny teniko,+ ka na ny iray amin’ireo aza 23 tsy hahita an’ilay tany nianianako tamin’ny razambeny. Tsy hisy hahita an’ilay izy mihitsy izay rehetra tsy manaja ahy.+
-
-
Salamo 95:7-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Raha mihaino ny feony+ ianareo anio,
8 Dia aza manamafy ny fonareo toy ny tao Meriba,*+
Sy hoatran’ilay tao Masa* tany an-tany efitra,+
9 Rehefa nisedra+ ahy ny razambenareo;
Nitsapa ahy izy ireo na dia efa hitany aza ny asa nataoko.+
10 Nandritra ny 40 taona no nankaloiloy ahy izany taranaka izany, ka nilaza aho hoe:
“Vahoaka mafy loha ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany foana;
Tsy fantany ny lalako.”
11 Koa tezitra aho sady nianiana hoe:
“Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+
-