-
1 Timoty 6:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Anaro* ny manankarena eto amin’izao tontolo izao* mba tsy hirehareha,* na hatoky ny harena tsy azo antoka,+ fa hanantena an’Andriamanitra, izay manome be dia be an’ireo zavatra rehetra mahafaly antsika.+ 18 Teneno izy ireo mba hanao soa, hanan-karena amin’ny asa tsara, ho tia manome,* ho vonon-kizara,+ 19 ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy.+ Amin’izay izy ireo dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.+
-