44 Avy amin’ny Devoly rainareo ianareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao.+ Efa mpamono olona hatrany am-boalohany izy,+ ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina mihitsy ao aminy. Mandainga izy satria efa izay no maha izy azy. Mpandainga mantsy izy sady rain’ny lainga.+