Joba
28 “Misy toerana itrandrahana volafotsy,
Ary toerana misy volamena mbola hodiovina.+
2 Alaina avy amin’ny tany ny vy,
3 Resin’ny olona ny haizina;
Mikaroka hatrany amin’ny fetra farany ao anaty haizina sy haizim-pito izy,
Mba hitrandrahana vato.
4 Mihady lavaka fitrandrahana lavitra ny fonenan’ny olona izy,
Any amin’ny toerana efa hadinon’ny olona sady tsy misy mpandeha;
Misy olona midina any ary misavilivily amin’ny tady.
5 Maniry eny ambonin’ny tany ny sakafo;
Nefa ny any ambaniny ravarava hoatran’ny hoe nolalovan’ny afo.*
6 Misy safira ny vato any,
Ary misy volamena ny vovoka.
7 Tsy mahafantatra ny lalana mankany ny vorona mpihaza;
Tsy mahita an’izany ny mason’ny papango mainty.
8 Tsy manitsakitsaka an’izany ny biby lehibe;
Tsy mihaodihaody any ny liona tanora.
9 Mikapoka vatoafo amin’ny tanany ny olona;
Aongany hatramin’ny fotony ny tendrombohitra.
11 Tampenany ny loharano ipoiran’ny renirano,
Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny harena miafina.
13 Tsy misy olombelona mahay manombana ny hasarobidin’izany,+
Ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izany.
14 Hoy ny rano lalina: ‘Tsy atỳ amiko izany!’
Ary hoy ny ranomasina: ‘Tsy ato amiko izany!’+
15 Tsy voavidina volamena tsy misy fangarony izany;
Ary tsy mety atao takalony ny volafotsy lanjaina.+
17 Tsy afaka mifampitaha aminy ny volamena sy ny fitaratra;
Ary tsy mety atao takalony ny zavatra vita amin’ny volamena tena tsara.*+
18 Tsy mendrika ny hotononina akory ny haran-dranomasina* sy ny kristaly,+
Satria sarobidy noho ny perla iray kitapo ny fahendrena iray kitapo.
19 Tsy afaka mifampitaha aminy ny topaza+ avy any Kosy;
Na ny volamena tsy misy fangarony aza tsy mahavidy azy.
22 Hoy Rafandringanana sy Rafahafatesana:
‘Henon’ny sofinay fotsiny ny momba an’izany.’
23 Andriamanitra no mahafantatra ny lalana ahitana an’izany;
Izy irery no mahalala ny toerana ipetrahany,+
24 Fa mitazana ny hatrany amin’ny faran’ny tany izy,
Sady hitany daholo ny eny ambanin’ny lanitra.+
25 Tamin’izy nanome hery* ny rivotra+
Sy nitsinjara ny rano,+
26 Tamin’izy nanao lalàna ho an’ny orana,+
Sy lalana ho an’ny rahon’oram-baratra,+
27 Dia hitany ny fahendrena ka nohazavainy;
Nataony mafy orina izany sady nosedrainy.
28 Dia hoy izy tamin’ny olombelona: