Mpitsara
10 Taorian’ny nahafatesan’i Abimeleka, dia nitsangana hamonjy ny Israely+ i Tola, lehilahy avy amin’ny fokon’i Isakara. Zanak’i Poha zanak’i Dodo izy ary nipetraka tany Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. 2 Nitsara ny Israely nandritra ny 23 taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
3 Ary nandimby azy i Jaira Gileadita, izay nitsara ny Israely nandritra ny 22 taona. 4 Nanan-janakalahy 30 izy. Nitaingina ampondra 30 izy ireo ary nanana tanàna 30. Mbola antsoina hoe Havota-jaira+ ireo tanàna ireo hatramin’izao, ary any Gileada no misy azy. 5 Dia maty i Jaira ka nalevina tao Kamona.
6 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny Israelita,+ ka nanompo an’ireo Bala,+ sy ireo sarin’i Astarta, sy ireo andriamanitr’i Arama,* sy ireo andriamanitr’i Sidona, sy ireo andriamanitr’i Moaba,+ sy ireo andriamanitry ny Amonita,+ ary ireo andriamanitry ny Filistinina.+ Niala tamin’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy intsony. 7 Dia tezitra be tamin’ny Israely i Jehovah, ka navelany hanjakazaka teo amin’ny Israely* ny Filistinina sy ny Amonita.+ 8 Dia nampijalin’izy ireo sy nampahoriny mafy ny Israelita tamin’izany taona izany. Nampahorin’izy ireo nandritra ny 18 taona ny Israelita rehetra nipetraka tany amin’ny tanin’ny Amorita, tany Gileada, teny ampitan’i Jordana. 9 Niampita an’i Jordana koa ny Amonita mba hiady tamin’ny fokon’i Joda sy Benjamina ary Efraima, ka nijaly be ny Israely. 10 Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah ny Israelita+ hoe: “Efa nanota taminao izahay ry Andriamanitray ô, satria niala taminao izahay ka nanompo an’ireo Bala.”+
11 Hoy anefa i Jehovah tamin’ny Israelita: “Fa izaho angaha tsy namonjy anareo tamin’ny Ejipsianina+ sy ny Amorita+ sy ny Amonita sy ny Filistinina+ 12 sy ny Sidonianina sy ny Amalekita ary ny Midianina, rehefa nampijaly be anareo ireny? Rehefa nitaraina mafy tamiko ianareo, dia novonjeko ka nafahako tamin’izy ireny. 13 Fa ianareo kosa niala tamiko ka nanompo andriamani-kafa.+ Noho izany, dia tsy hamonjy anareo intsony aho.+ 14 Mandehana miantso vonjy any amin’ireo andriamanitra nofidinareo.+ Ireny asaina mamonjy anareo amin’izao manjo anareo izao!”+ 15 Hoy anefa ny Israelita tamin’i Jehovah: “Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay hitanao fa mety. Fa mba vonjeo re izahay amin’ity indray mandeha ity fotsiny e!” 16 Ary narian’izy ireo ny andriamani-kafa* nivavahany, ka nanompo an’i Jehovah izy ireo.+ Dia tsy zakan’Andriamanitra intsony ny nahita ny fahorian’ny Israely.+
17 Tatỳ aoriana, dia novorin’ny Amonita+ ny miaramilany ka nanangana toby tao Gileada izy ireo. Dia novorin’ny Israelita koa ny miaramilany, ary nanangana toby tao Mizpa izy ireo. 18 Dia nifampiresaka ny olona sy ny andrianan’i Gileada hoe: “Iza no hitarika antsika rehefa hiady amin’ny Amonita isika?+ Izany lehilahy izany no hataontsika mpitarika ny mponina rehetra eto Gileada.”