Josoa
3 Dia nifoha maraina i Josoa. Ary niala tao Sitima+ izy sy ny Israelita* rehetra ka tonga teo amin’ny Reniranon’i Jordana. Natory teo izy ireo ny alina talohan’ny niampitany.
2 Rehefa afaka telo andro, dia nandeha eran’ny toby ireo mpifehy ny vahoaka,+ 3 ary nomen’izy ireo baiko ny vahoaka hoe: “Raha vao hitanareo lanjain’ny Levita mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah Andriamanitrareo, dia mialà eo amin’izay misy anareo ka araho ilay izy. 4 Avelao hisy 2 000 hakiho* eo ho eo anefa manelanelana anareo sy ilay Vata, fa aza manakaiky an’ilay izy. Amin’izay dia ho fantatrareo ny lalana halehanareo, satria mbola tsy nandeha tamin’izany lalana izany ianareo.”
5 Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: “Miomàna*+ fa hanao zava-mahagaga ho anareo i Jehovah rahampitso.”+
6 Ary hoy i Josoa tamin’ny mpisorona: “Ento ny Vata+ misy ny fifanekena dia mandehana eo alohan’ny vahoaka.” Koa nentin’izy ireo ilay Vata misy ny fifanekena, ka nandeha teo alohan’ny vahoaka izy ireo.
7 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Manomboka androany, dia hasandratro eo imason’ny Israely rehetra ianao,+ mba hahafantarany fa hanampy anao aho,+ hoatran’ny nataoko tamin’i Mosesy.+ 8 Ary omeo an’izao baiko izao ny mpisorona milanja an’ilay Vata misy ny fifanekena: ‘Rehefa tonga eo amoron’i Jordana ianareo, dia miroboha ao anaty rano ary aza mihetsika ao.’”+
9 Ary hoy i Josoa tamin’ny Israelita: “Avia hihaino ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo.” 10 Dia hoy i Josoa: “Izao no hahafantaranareo fa misy Andriamanitra velona eo aminareo,+ ary tsy maintsy horoahiny hiala eo anatrehanareo ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita, ary ny Jebosita:+ 11 Handeha eo alohanareo ho ao amin’ny Reniranon’i Jordana, ilay Vata misy ny fifanekena nataon’ny Tompon’ny tany manontolo. 12 Ary makà lehilahy 12 amin’ny fokon’ny Israely, dia lehilahy iray isaky ny foko.+ 13 Raha vao mikasika ny* ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona milanja an’ilay Vata masin’i Jehovah Tompon’ny tany manontolo, dia hijanona tsy hikoriana ny ranon’i Jordana midina avy any ambony, ka tsy hihetsika fa ho toy ny tohodrano.”*+
14 Rehefa niala teo amin’izay nitobiany àry ny vahoaka, taloha kelin’ny hiampitana an’i Jordana, dia nandeha teo alohan’izy ireo ny mpisorona nilanja an’ilay Vata+ misy ny fifanekena. 15 Tondraka i Jordana tamin’izay. Difotra mantsy ny morony+ rehefa fotoam-pijinjana. Raha vao tonga teo amin’i Jordana ireo mpisorona nilanja an’ilay Vata, ka natsobony teo amin’ny moron’ilay rano ny tongony, 16 dia tsy nihetsika ny rano nidina avy tany ambony. Niavosa toy ny tohodrano* terỳ lavitra be terỳ ilay izy, teny Adama, tanàna akaikin’i Zaretana. Ritra koa ny rano nidina nankany amin’ny Ranomasin’i Araba, dia ny Ranomasin-tsira.* Nijanona tsy nikoriana ny rano, ka niampita nanandrify an’i Jeriko ny vahoaka. 17 Ary nijoro tsy nihetsika teo amin’ny tany maina,+ teo afovoan’i Jordana, ny mpisorona nilanja an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Ny firenen’Israely manontolo kosa nandeha teo amin’ny tany maina,+ mandra-piampitan’izy rehetra an’i Jordana.