Josoa
15 Tonga hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edoma+ sy ny tany efitr’i Zina ary ny farany atsimon’i Negeba ny tany azon’ny fokon’i Joda,*+ mba ho an’ny fianakavian’izy ireo. 2 Ny sisin-taniny atsimo dia nanomboka teo amin’ny sisin’ny Ranomasin-tsira,*+ eo amin’ilay helodrano mitodika mianatsimo, 3 ary nianatsimo nankany amin’ny fiakarana Akrabima+ ka nandalo an’i Zina, dia niakatra avy teo atsimo nankany Kadesi-barnea+ ka nitohy hatrany Hezrona, dia niakatra nankany Adara ka nivily nankany Karka, 4 dia nitohy hatrany Azmona+ ka tonga hatrany amin’ny Reniranon’i* Ejipta,+ ary hatrany amin’ny Ranomasina* ny farany. Izany no sisin-taniny atsimo.
5 Ny sisin-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira* hatrany amin’ny faran’ny Reniranon’i Jordana. Ary ny sisin-tany tamin’ny zorony avaratra dia nanomboka teo amin’ny helodranomasina, eo amin’ny faran’ny Reniranon’i Jordana.+ 6 Niakatra nankany Beti-hogla+ ilay sisin-tany ka nitohy tany avaratr’i Beti-araba,+ ary niakatra hatrany amin’ilay vaton’i Bohana+ zanak’i Robena, 7 dia niakatra nankany Debira izay eo amin’ny Lohasahan’i* Akora,+ ka nivily nianavaratra nankany Gilgala+ tandrifin’ny fiakarana Adomima izay eo atsimon’ilay lohasaha,* ary nitohy tany amin’ny ranon’i En-semesy,+ dia tonga hatrany En-rogela.+ 8 Nitohy ihany ilay sisin-tany ka niakatra nankany amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,+ nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita,+ izany hoe i Jerosalema,+ ary niakatra nankeo amin’ny tampon-tendrombohitra tandrifin’ny ilany andrefana amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny Lohasahan’ny* Refaima io tendrombohitra io. 9 Avy eo an-tampon’ilay tendrombohitra ilay sisin-tany no mankany amin’ny loharanon’i Neftoa,+ ary tonga hatrany amin’ireo tanàna teny amin’ny Tendrombohitra Efrona, ka nitohy hatrany Balaha, izany hoe Kiriata-jearima.+ 10 Avy teo Balaha indray ilay sisin-tany no nivily niankandrefana nankany amin’ny Tendrombohitra Seira, ka nitohy teo amin’ny tehezany avaratra amin’ny Tendrombohitra Jearima, izany hoe Kesalona, ary nidina nankany Beti-semesy+ ka nandalo an’i Timna,+ 11 dia tonga hatrany amin’ny tehezany avaratra amin’i Ekrona,+ ary avy teo Sikerona no nitohy teo amin’ny Tendrombohitra Balaha ary nankany Jabniela, dia tany amin’ny ranomasina ny farany.
12 Ary ny sisin-tany andrefana dia ny Ranomasina Lehibe*+ sy ny morontsirany. Izany no sisin-tanin’ny lova nozaraina tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany avy.
13 Ary nomena anjara teo amin’ny taranak’i Joda i Kaleba+ zanak’i Jefone, araka ny baiko nomen’i Jehovah an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Rain’i Anàka io Arba io.+ 14 Dia noroahin’i Kaleba niala tao ny zanak’i Anàka telo lahy,+ dia i Sesay sy Ahimana ary Talmay,+ izay taranak’i Anàka. 15 Ary niakatra avy tao i Kaleba dia nandeha niady tamin’ny mponin’i Debira.+ Kiriata-sefera no anaran’i Debira talohan’izay. 16 Dia hoy i Kaleba: “Izay lehilahy maharesy an’i Kiriata-sefera ka mahazo an’io tanàna io, dia homeko ho vadiny i Aksa zanako vavy.” 17 I Otniela,+ zanak’i Kenaza+ rahalahin’i Kaleba, no nahazo an’ilay tanàna, ka nomen’i Kaleba azy ho vadiny i Aksa zanany vavy.+ 18 Rehefa nankany an-tranon’i Otniela i Aksa, dia nampirisihiny hangataka saha tamin’i Kaleba rainy i Otniela. Dia niala* teo ambony ampondrany i Aksa, ka hoy ny rainy: “Inona no ilainao?”+ 19 Dia hoy i Aksa: “Mba omeo fanomezana aho, azafady. Efa nomenao tany kely any atsimo* ihany aho, fa mba omeo ahy koa i Golota-maima.”* Nomen’i Kaleba azy àry i Golota Ambony sy Golota Ambany.
20 Izany no lova nozaraina tamin’ny fokon’i Joda, araka ny fianakaviany avy.
21 Ireto avy ny tanàna teny amin’ny sisiny indrindra amin’ny tanin’ny fokon’i Joda, tandrifin’ny sisin-tanin’i Edoma+ any atsimo: Kabzela, Edera, Jagora, 22 Kina, Dimona, Adada, 23 Kedesy, Hazora, Itnana, 24 Zifa, Talema, Bealota, 25 Hazora-hadata, Keriota-hezrona, izany hoe Hazora, 26 Amama, Sema, Molada,+ 27 Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta,+ 28 Hazara-soala, Beri-sheba,+ Biziotia, 29 Balaha, Ima, Azema, 30 Eltolada, Kesila, Horma,+ 31 Ziklaga,+ Madmana, Sansana, 32 Lebaota, Silima, Aina, ary Rimona.+ Tanàna 29 ny fitambarany, miampy an’ireo tanàna keliny.
33 Ireto avy ny tanàna tany Sefela:+ Estaola, Zora,+ Asna, 34 Zanoa, En-ganima, Tapoa, Enama, 35 Jarmota, Adolama,+ Soko, Azeka,+ 36 Saraima,+ Aditaima, Gadera, ary Gederotaima,* izany hoe tanàna 14 sy ny tanàna keliny.
37 Anisan’ny tanàna tany koa i Zenana, Hadasa, Migdala-gada, 38 Dilana, Mizpe, Joktela, 39 Lakisy,+ Bozkata, Eglona, 40 Kabona, Lamasa, Kitlisa, 41 Gederota, Beti-dagona, Nama, ary Makeda,+ izany hoe tanàna 16 sy ny tanàna keliny.
42 Anisany koa i Libna,+ Etera, Asana,+ 43 Jifta, Asna, Neziba, 44 Keila, Akziba, ary Maresa, izany hoe tanàna sivy sy ny tanàna keliny.
45 Anisany koa i Ekrona sy ireo tanàna niankina taminy* ary ny tanàna keliny, 46 ary ireo tanàna manomboka eo Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaikin’i Asdoda sy ny tanàna keliny.
47 Mbola anisany koa i Asdoda+ sy ireo tanàna niankina taminy* ary ny tanàna keliny, ary koa Gaza+ sy ireo tanàna niankina taminy ary ny tanàna keliny, hatrany amin’ny Reniranon’i Ejipta sy ny Ranomasina Lehibe* ary ny faritra amoron-tsiraka.+
48 Ary ireto avy no teny amin’ny faritra be tendrombohitra: Samira, Jatira,+ Soko, 49 Dana, Kiriata-sana, izany hoe Debira, 50 Anaba, Estemo,+ Anima, 51 Gosena,+ Holona, ary Gilo,+ izany hoe tanàna 11 sy ny tanàna keliny.
52 Anisan’ny tanàna teny koa i Araba, Doma, Esana, 53 Janoma, Beti-tapoa, Afeka, 54 Homta, Kiriata-arba, izany hoe Hebrona,+ ary Ziora, izany hoe tanàna sivy sy ny tanàna keliny.
55 Anisany koa i Maona,+ Karmela, Zifa,+ Jota, 56 Jezirela, Jokdeama, Zanoa, 57 Kaina, Gibea, ary Timna,+ izany hoe tanàna folo sy ny tanàna keliny.
58 Anisany koa i Halola, Beti-zora, Gedora, 59 Marata, Beti-anota, ary Eltekona, izany hoe tanàna enina sy ny tanàna keliny.
60 Mbola anisany koa i Kiriata-bala, izany hoe Kiriata-jearima,+ sy Raba, izany hoe tanàna roa sy ny tanàna keliny.
61 Ary ireto avy no tany an-tany efitra: Beti-araba,+ Midina, Sekaka, 62 Nibsana, sy ilay Tanànan-tsira ary En-jedy,+ izany hoe tanàna enina sy ny tanàna keliny.
63 Tsy vitan’ny fokon’i Joda kosa ny nandroaka+ an’ireo Jebosita+ nipetraka tao Jerosalema,+ ka mbola miara-mipetraka amin’ny vahoakan’ny Joda ao Jerosalema izy ireo hatramin’izao.