Deoteronomia
3 “Nivily lalana isika avy eo, ka niakatra nanaraka an’ilay Lalan’i Basana. Dia nivoaka hiady tamintsika tao Edrehy i Oga mpanjakan’i Basana sy ny tafiny manontolo.+ 2 Hoy àry i Jehovah tamiko: ‘Aza matahotra azy fa hataoko resinao izy sy ny tafiny manontolo ary homeko anao ny taniny. Hataonao hoatran’i Sihona izy, dia ilay mpanjakan’ny Amorita nipetraka tao Hesbona.’ 3 Dia nataon’i Jehovah Andriamanitsika resintsika koa i Oga mpanjakan’i Basana sy ny tafiny manontolo. Dia nasiantsika ry zareo ka nataontsika tsy nisy niangana na iray aza. 4 Nalaintsika ny tanànany rehetra, ka azontsika daholo ireo tanàna 60 nanerana ny faritr’i Argoba, tao amin’ny fanjakan’i Oga tany Basana.+ 5 Tanàna voaro mafy misy manda avo sy vavahady misy bara hidiny daholo ireo, miaraka amin’ny tanàna kely be dia be tany ambanivohitra. 6 Naringantsika tanteraka anefa ireny,+ toy ny nataontsika tamin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona. Noravantsika tanteraka mantsy ny tanànany rehetra, ary naringantsika ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy.+ 7 Nalaintsika daholo koa ny biby fiompy sy ny fananana tao amin’ireo tanàna ireo.
8 “Tamin’izay dia nalaintsika ny tanin’ireo mpanjakan’ny Amorita+ anankiroa tany amin’ny faritr’i Jordana, nanomboka teo amin’ny Lohasahan’i* Arnona ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona.+ 9 Io ilay tendrombohitra nantsoin’ny Sidonianina hoe Siriona, fa nantsoin’ny Amorita kosa hoe Senira. 10 Nalaintsika daholo koa ny tanàna teny amin’ny lembalemba* sy nanerana an’i Gileada sy Basana, hatrany Saleka sy Edrehy,+ izay tanàna tao amin’ny fanjakan’i Oga tany Basana. 11 I Oga mpanjakan’i Basana no sisa tavela tamin’ny Refaima. Vita tamin’ny vy* ilay filanjana ny fatiny,* ary mbola ao Raba tanànan’ny Amonita ilay izy. Sivy hakiho* ny lavan’izy io, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakiho mahazatra. 12 Tamin’izay dia nalaintsika ho antsika ilay tany, manomboka eo Aroera,+ eo akaikin’ny Lohasahan’i* Arnona, sy ny antsasaky ny faritra be tendrombohitr’i Gileada. Nomeko ho an’ny Robenita sy ny Gadita ny tanàna tany.+ 13 Nomeko ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa ny ambiny amin’i Gileada sy ny faritr’i Basana manontolo, izay anisan’ny fanjakan’i Oga.+ Tanin’ny Refaima no nahafantarana ny faritr’i Argoba manontolo, izay anisan’i Basana.
14 “Nalain’i Jaira+ zanak’i Manase ny faritr’i Argoba+ manontolo hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy ny Makatita.+ Ary nampitondrainy ny anarany ireny tanàna kely any Basana ireny, ka nantsoiny hoe Havota-jaira*+ hatramin’izao. 15 Ary nomeko an’i Makira i Gileada.+ 16 Nomeko ho an’ny Robenita sy ny Gadita+ kosa ny faritra manomboka eo Gileada ka hatreo amin’ny Lohasahan’i* Arnona, ary eo afovoan’ilay lohasaha ny sisin-tany. Nomeko azy ireo koa ilay faritra hatrany Jaboka, ilay lohasaha izay sisin-tanin’ny Amonita. 17 Ary nomeko azy ireo i Araba sy ny Reniranon’i Jordana sy ny morony, manomboka any Kinereta ka hatrany amin’ny Ranomasin’i Araba, dia ny Ranomasin-tsira* eo am-pototry ny havoanan’i Pisga manandrify ny atsinanana.+
18 “Dia nanome an’izao didy izao anareo aho: ‘Efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity tany ity mba halainareo ho anareo. Handray ny fiadiany daholo ny lehilahy mahery fo eo aminareo, dia hiampita eo alohan’ny Israelita rahalahinareo.+ 19 Ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny biby fiompinareo ihany no hijanona ao amin’ireo tanàna nomeko anareo—fantatro tsara fa maro be ny biby fiompinareo— 20 mandra-pahazon’ny rahalahinareo an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo azy eny ampitan’i Jordana. Hataon’i Jehovah milamina ny fiainan’izy ireo amin’izay, hoatran’ny nataony taminareo ihany. Aorian’izay ianareo vao hiverina any amin’ny tany efa nomeko anareo avy.’+
21 “Nandidy an’i Josoa aho tamin’izay hoe:+ ‘Efa hitan’ny masonao izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ireny mpanjaka roa ireny. Hataon’i Jehovah hoatr’izany koa izay fanjakana rehetra handalovanao.+ 22 Aza matahotra an-dry zareo, fa i Jehovah Andriamanitrareo no miady ho anareo.’+
23 “Dia nitalaho tamin’i Jehovah aho tamin’izay hoe: 24 ‘Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Efa nanomboka nasehonao tamin’ny mpanomponao hoe tena miavaka ianao sady manana sandry mahery.+ Fa iza no andriamanitra mahavita an’ireny asa lehibe vitanao ireny, na any an-danitra na etỳ an-tany?+ 25 Mba avelao re aho hiampita dia hahita an’ilay tany tsara erỳ ampitan’i Jordana e, ilay faritra be tendrombohitra sady tsara tarehy, dia avy eo koa i Libàna!’+ 26 Mbola tezitra tamiko foana anefa i Jehovah noho ny nataonareo,+ ka tsy nety nihaino ahy. Fa hoy i Jehovah tamiko: ‘Aoka izay! Aza miresaka amiko momba an’izany intsony. 27 Miakara eny an-tampon’i Pisga,+ ary mijere miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, dia jereo ilay tany, satria tsy hiampita an’io Jordana io ianao.+ 28 Tendreo hisolo anao i Josoa+ ka ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hitarika an’ity vahoaka ity ho any amin’ilay tany,+ amin’izay izy ireo ho afaka handova azy io.’ 29 Tamin’isika nipetraka tany amin’ilay lohasaha tandrifin’i Beti-peora+ no nitranga izany rehetra izany.