Joba
26 Namaly i Joba hoe:
2 “Hoatr’izany ve no mba anampianao ny tsy manan-kery?
Hoatr’izany ve no mba amonjenao ny sandrin’ny lany hery?+
3 Torohevitra mipoapoaka tokoa no nomenao ho an’ny tsy manam-pahendrena!+
Tsy nihafihafy mihitsy ianao nampideradera ny fahendrenao!*
5 Tora-kovitra ny maty tsy mahavita na inona na inona;
Mbola ambany noho ny rano sy ny zavaboary monina ao izy ireo.
7 Velariny eo amin’ny babangoana ny lanitra avaratra,*+
Ary ahantony eo amin’ny tsy misy ny tany.
8 Fonosiny ao anaty rahony ny rano,+
Mba tsy ho triatra ny rahona noho ny havesaran’ny rano;
9 Takonany mba tsy ho hita ny seza fiandrianany,
Ka velariny hanarona an’izany ny rahony.+
10 Asiany faritra ny faravodilanitra* eny ambony rano;+
Asiany fefy manasaraka ny mazava sy ny maizina.
11 Mihozongozona ny andrin’ny lanitra;
Tsy nahateny izy ireo noho ny fananaran’Andriamanitra.
12 Ataony misamboaravoara ny ranomasina noho ny heriny,+
Ary potipotehiny ny biby ngezabe any an-dranomasina*+ noho izy mahira-tsaina.
14 Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany ihany izany;+
Vao bitsibitsika ihany no henontsika momba azy!
Koa iza no mahatakatra ny kotroka mafy avy aminy?”+