Amosa
1 Ny tenin’i Amosa,* izay anisan’ny mpiompy ondry avy ao Tekoa,+ roa taona talohan’ilay horohoron-tany.+ Azony tao amin’ny fahitana momba ny Israely izany teny izany, tamin’ny andron’i Ozia+ mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama+ zanak’i Joasy+ mpanjakan’ny Israely. 2 Hoy izy:
“Hierona hoatran’ny liona avy ao Ziona i Jehovah,
Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema.
Ho maina ny kijana,
Ary ho maina koa ny tampon’i Karmela.”+
3 “Izao no tenin’i Jehovah:
‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy* intelo i Damaskosy, inefatra mihitsy aza.
Nanosihosy an’i Gileada tamin’ny fitaovana vy fanosihosena varimbazaha mantsy izy.+
4 Dia handefasako afo ny tranon’i Hazaela,+
Ka ho levon’ny afo ny tilikambon’i Beni-hadada, dia ireo tilikambo voaro mafy.+
5 Hotapahiko ny bara hidim-bavahadin’i Damaskosy,+
Ary haringako ny mponina ao Bikata-avena
Sy ilay mpitondra* ao Beti-edena.
Ary hatao sesitany any Kira ny mponin’i Syria”,+ hoy i Jehovah.’
6 Izao no tenin’i Jehovah:
‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Gaza,+ inefatra mihitsy aza.
Nataony babo mantsy ny olona rehetra+ dia natolony an’i Edoma.
8 Haringako ny mponina ao Asdoda+
Sy ilay mpitondra* ao Askelona.+
Ary hamely an’i Ekrona aho,+
Ka ho ripaka izay sisa amin’ny Filistinina”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’
9 Izao no tenin’i Jehovah:
‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Tyro,+ inefatra mihitsy aza.
Nataony babo mantsy ny olona rehetra dia natolony an’i Edoma,
Ary tsy tsaroany ny fifanekena nataon’ny mpirahalahy.+
11 Izao no tenin’i Jehovah:
‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Edoma,+ inefatra mihitsy aza.
Nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra mantsy izy,+
Sady tsy nety namindra fo mihitsy.
Tezitra izy ka mamiravira azy ireo foana,
Ary mbola tezitra be amin’izy ireo foana.+
13 Izao no tenin’i Jehovah:
‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Amonita,+ inefatra mihitsy aza.
Notatahany mantsy ny kibon’ny vehivavy bevohoka tao Gileada, mba hanitarany ny taniny.+
14 Dia handefasako afo ny mandan’i Raba,+
Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.
Hisy antso fanairana amin’ny andro hisian’ny ady,
Ary hisy tafio-drivotra mahery amin’ny andro hisian’ny oram-baratra.
15 Ary hatao sesitany ny mpanjakan’izy ireo sy ny andrianany”,+ hoy i Jehovah.’