Joba
6 Dia namaly i Joba hoe:
2 “Raha mba azo lanjaina daholo mantsy ny fahoriako,+
Sady azo atao eo amin’ny mizana miaraka aminy koa ny loza manjo ahy!
3 Fa mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina izany izao,
4 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkan’ilay Mahery Indrindra,
Ary ny poizina avy amin’izany no sotroiko.+
Milahatra hamely ahy ny horohoro avy amin’Andriamanitra.
5 Haneno ve ny ampondradia+ raha efa eo anoloan’ny ahitra?
Ary hitrena ve ny omby raha efa mahazo sakafo?
6 Sakafo matsatso ve dia hohanina tsy misy sira,
Ary misy tsirony ve ny rona fiandrilavenona?
7 Tsy nety nikasika an’ireny aho,
Fa toy ny loto ao amin’ny sakafoko ireny.
8 Raha mba azoko mantsy izay angatahiko,
Ary omen’Andriamanitra ahy izay iriko!
10 Na izany aza mantsy dia hampionona ahy.
Hitsinjaky ny hafaliana aho na dia manaintaina lava aza,
Satria tsy nolaviko ny tenin’Ilay Masina.+
11 Mbola manan-kery hiandrasana ihany ve aho?+
Ary inona moa no hiafarako no mbola tokony ho velona foana aho?*
12 Herim-bato ve ny heriko?
Ary varahina ve ny nofoko?
13 Misy fomba azoko anavotana ny tenako angaha,
Raha nesorina tamiko daholo izay afaka manampy ahy?
15 Ny rahalahiko dia mamitaka+ toy ny riaka amin’ny andro ririnina,
Toy ny riaka amin’ny andro ririnina izay miharìtra.
16 Lasa matroka ireny azon’ny ranomandry,
Ary miafina ao aminy ny lanezy mitsonika.
17 Tsy misy rano intsony anefa ireny rehefa mandeha ny fotoana, ka manjavona.
Ritra ireny rehefa mafana ny andro.
18 Mivily lalana ireny,
Ary mikoriana mankany an-tany efitra dia maina.
20 Menatra izy ireo satria nanantena tsy misy,
Tonga teo ry zareo kanjo diso fanantenana.
21 Fa hoatr’izany koa no fahitako anareo;+
Mahita ny hamafin’ny loza manjo ahy ianareo, dia raiki-tahotra.+
22 Angaha izaho niteny hoe: ‘Omeo zavatra aho’,
Na nangataka anareo mba hanome ahy amin’ny harenanareo?
25 Tsy mba mandratra ny teny marina!+
Fa inona kosa no mba soa azo avy amin’ny fananaranareo?+
26 Mitetika ny hanitsy ny teniko ve ianareo,
Nefa tenin’olona mamoy fo+ fotsiny izany ka entin’ny rivotra?
28 Koa ankehitriny, mitodiha dia jereo aho,
Fa tsy handainga eo imasonareo aho.
29 Mba diniho indray ange e, ary aza diso fitsara ahy,
Eny, diniho indray, fa mbola ao tsara ny fahamarinako.
30 Miteny zavatra tsy ara-drariny ve ny lelako?
Ary tsy tsapan’ny lanilaniko ve fa misy zavatra tsy mety?