Mpitsara
14 Ary nidina nankany Timna i Samsona, ka nahita vehivavy filistinina anankiray* tany. 2 Dia niakatra nankany amin’ny rainy sy ny reniny izy, dia niteny hoe: “Nisy vehivavy filistinina nahasarika ahy tany Timna. Mba alaivo ho vadiko izy.” 3 Niteny taminy anefa ny rainy sy ny reniny hoe: “Fa angaha ianao tsy mahita vehivavy eo amin’ny havanao na eto amin’ny firenentsika?+ Tsy maintsy any amin’ny Filistinina tsy mifora ve ianao no haka vady?” Fa hoy i Samsona tamin’ny rainy: “Alaivo ho ahy izy, fa izy no hitako hoe mety amiko.”* 4 Tsy fantatry ny rainy sy ny reniny hoe i Jehovah no nahatonga azy hanapa-kevitra hoatr’izany. Nitady hirika hamelezana ny Filistinina mantsy Izy, satria ny Filistinina no nifehy ny Israely tamin’izany fotoana izany.+
5 Dia nidina nankany Timna i Samsona sy ny rainy ary ny reniny. Rehefa tonga tany amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona* nierona nanatona azy. 6 Dia nanome hery azy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nozarainy roa hoatran’ny nizara zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin’ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony. 7 Dia nanohy ny diany nidina izy, ka niresaka tamin’ilay vehivavy. Ary hitan’i Samsona hoe mbola nety tsara taminy izy.+
8 Niverina tany i Samsona, tatỳ aoriana, mba haka an’ilay vehivavy ho any an-tranony.+ Ary nivily mba hijery ny fatin’ilay liona izy, ka nahita renitantely be dia be tao amin’ilay izy, ary efa nisy tantely koa tao. 9 Dia nakan’i Samsona ilay tantely ka nataony teo amin’ny felatanany, ary sady nandeha izy no nihinana. Rehefa tratrany ny rainy sy ny reniny, dia nomeny tamin’ilay tantely ka nihinana izy ireo. Tsy notenenin’i Samsona tamin’izy ireo anefa hoe tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany an’ilay tantely.
10 Dia nidina nankany amin’ilay vehivavy ny dadan’i Samsona. Ary nanao fanasambe tany i Samsona, fa izany no fanaon’ny tovolahy. 11 Rehefa nahita an’i Samsona ny olona, dia naka lehilahy 30 mba ho namana hanotrona azy. 12 Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Mba hanao ankamantatra aminareo aho. Raha hainareo ao anatin’ny fito andro anaovana ny fanasambe ny valiny sady teneninareo ahy, dia homeko akanjo 30 vita amin’ny lamba rongony sy akanjo 30 hafa ianareo. 13 Fa raha tsy hainareo kosa ny valiny, dia tsy maintsy manome ahy akanjo 30 vita amin’ny lamba rongony sy akanjo 30 hafa ianareo.” Dia hoy izy ireo: “Lazao àry ny ankamantatrao hohenoinay.” 14 Dia hoy izy:
“Avy tao amin’ny mpihinana no nivoahan’ny zavatra azo hanina,
Ary avy tao amin’ny matanjaka no nivoahan’ny mamy.”+
Tsy hitan’izy ireo anefa ny valin’ilay ankamantatra, nandritra ny telo andro. 15 Ary tamin’ny andro fahefatra, dia hoy izy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: “Fetseo ny vadinao+ mba hilazany amintsika ny valin’ilay ankamantatra. Raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Ny haka ny fanananay ve izany no antony nanasanareo anay?” 16 Dia nitomany teo amin’i Samsona ny vadiny, sady niteny hoe: “Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory.+ Efa nanao ankamantatra tamin’ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny valiny.” Fa hoy i Samsona taminy: “Na ny dada sy mamako aza tsy nilazako an’ilay izy, dia ianao indray ve no hilazako an’ilay izy?” 17 Nitomany teo aminy foana anefa ilay vehivavy taorian’izay, mandra-pahatongan’ilay andro fahafito tamin’ilay fanasambe. Farany, dia nolazain’i Samsona taminy ihany ny valin’ilay izy tamin’ny andro fahafito, satria tsy namelany mihitsy izy raha tsy nilaza. Dia notenenin’ilay vehivavy tamin’ny fireneny ny valin’ilay ankamantatra.+ 18 Raha mbola tsy nilentika àry ny masoandro* tamin’ny andro fahafito, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna taminy:
“Inona no mamy noho ny tantely,
Ary inona no matanjaka noho ny liona?”+
Fa hoy i Samsona tamin’izy ireo:
“Raha tsy ny ombivavikeliko no nampiasainareo hiasa ny tany,+
Dia tsy ho nahita ny valin’ny ankamantatro ianareo.”
19 Dia nanome hery an’i Samsona ny fanahin’i Jehovah,+ ka nidina nankany Askelona+ izy, ary namono lehilahy 30 tao. Dia nalainy ny akanjon’ireny, ka nomeny an’ireo nilaza ny valin’ilay ankamantatra.+ Ary tezitra be i Samsona, tamin’izy nandeha niakatra ho any an-tranon-drainy.
20 Dia nomena ho an’ny iray tamin’ireo namany nanotrona azy+ ny vadin’i Samsona.+