Amosa
2 “Izao no tenin’i Jehovah:
‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy* intelo i Moaba,+ inefatra mihitsy aza.
Nodorany mantsy ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma mba hahazoana sokay.
2 Dia handefasako afo any Moaba,
Ka ho levon’ny afo ny tilikambo voaro mafy ao Keriota.+
Ao anatin’ny tabataba be i Moaba no ho faty.
Hisy hanao hiakan’ady sy hitsoka anjombona koa amin’izay.+
3 Hesoriko tsy ho eo aminy ny mpitondra,*
Ary hovonoiko miaraka amin’izy io ny andrianany rehetra”,+ hoy i Jehovah.’
4 Izao no tenin’i Jehovah:
‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Joda,+ inefatra mihitsy aza.
Tsy niraharaha ny lalàn’i* Jehovah mantsy izy ireo,
Sady tsy nanaraka ny fitsipiny.+
Ny lainga efa ninoan’ny razambeny ihany no namitaka azy ireo.+
6 Izao no tenin’i Jehovah:
‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Israely,+ inefatra mihitsy aza.
Namidiny mantsy ny olo-marina mba hahazoana volafotsy,
Ary namidiny ny mahantra mba hahazoana kapa.+
Amin’ny ankizivavy iray ihany ny lehilahy iray sy ny zanany lahy no manao firaisana,
Ka manazimbazimba ny anarako masina.
8 Mitsotsotra eo ambony fitafiana natao antoka+ izy, eny akaikin’ny alitara rehetra eny.+
Ividianany divay ny vola azony tamin’ny olona nampandoaviny sazy, dia sotroiny ao an-tranon’ny* andriamaniny ilay izy avy eo.’
9 ‘Izaho anefa no nandringana ny Amorita teo imasony.+
Lava ranjanana hoatran’ny hazo sedera ny Amorita, sady matanjaka hoatran’ny hazo oaka.
Dia nopotipotehiko ny voany teny ambony sy ny fakany tao ambany.+
10 Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta,+
Sy nitarika anareo hamakivaky ny tany efitra nandritra ny 40 taona,+
Mba hakanareo ny tanin’ny Amorita.
Tsy izany ve no tokony ho nataoko, ry vahoakan’Israely ô?’, hoy i Jehovah.
12 ‘Nampisotroinareo divay foana anefa ny Nazirita,+
Ary nandidy ny mpaminany ianareo hoe: “Aza maminany.”+
13 Manorotoro an’izay andalovany ny sarety feno vary avy nojinjaina,
Dia hoatr’izany koa fa hanorotoro anareo eo amin’ny toerana misy anareo aho.
14 Tsy hahita toerana handosirana ny olona mahery mandeha.+
Tsy hanana hery intsony koa ny olona matanjaka,
Ary tsy hisy miaramila ho afa-mandositra ka hahavonjy ny ainy.
15 Tsy ho tafavoaka velona ny mpandefa zana-tsipìka.
Tsy ho afa-mandositra koa ny olona mahery mandeha,
Ary tsy ho afa-mandositra ny mpitaingin-tsoavaly ka tsy hahavonjy ny ainy.