116 Tiako i Jehovah,
Satria mihaino ny feoko izy, dia ny fitalahoako fanampiana.+
2 Fa manongilan-tsofina mihaino ahy izy,+
Ka hiantso azy aho raha mbola velona koa.
3 Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana;
Nangeja ahy ny Fasana.+
Tototry ny fahoriana sy ny alahelo aho.+
4 Niantso ny anaran’i Jehovah anefa aho,+ ka niteny hoe:
“Jehovah ô, vonjeo aho!”
5 Mangoraka sy manao ny rariny i Jehovah;+
Mamindra fo ny Andriamanitsika.+
6 Miaro an’ireo mbola tsy dia nahita fiainana+ i Jehovah.
Kivy be aho, ka novonjeny.
7 Hilamin-tsaina indray aho,
Fa tsara fanahy amiko i Jehovah.
8 Novonjenao tsy ho faty aho,
Nosakananao tsy hirotsaka ny ranomasoko, ary tsy ho tafintohina ny tongotro.+
9 Handeha eo anatrehan’i Jehovah aho, eo amin’ny tanin’ny velona.
10 Nino aho ka niteny;+
Nijaly be mihitsy aho.
11 Natahotra be aho ka niteny hoe:
“Mpandainga daholo ny olona rehetra.”+
12 Inona no havaliko an’i Jehovah
Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Horaisiko ny kaopin’ny famonjena,
Ary hiantso ny anaran’i Jehovah aho.
14 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,
Eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.+
15 Tena mafy amin’i Jehovah
Ny fahafatesan’ireo olona tsy mivadika aminy.+
16 Jehovah ô, mitalaho aminao aho
Fa mpanomponao!
Mpanomponao aho sady zanaky ny mpanompovavinao.
Novahanao ny fatorako.+
17 Hanolotra sorona fisaorana+ ho anao aho;
Hiantso ny anaran’i Jehovah aho.
18 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+
Eo anatrehan’ny vahoakany rehetra,+
19 Eo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+
Eo afovoanao, ry Jerosalema ô!
Derao i Jah!+