Joba
9 Dia namaly i Joba hoe:
2 “Fantatro tsara fa izany no izy.
Hanana ny rariny ve anefa ny olombelona mety maty raha miady amin’Andriamanitra eo amin’ny fitsarana?+
3 Raha misy olona te hiady hevitra aminy,*+
Dia tsy hahavaly ny fanontaniany, na dia fanontaniana iray ao anatin’ny arivo aza.
4 Manana fo hendry izy sady tena mahery.+
Koa iza no hanohitra azy ka ho afa-maina?+
5 Mamindra* tendrombohitra izy nefa tsy misy mahafantatra an’izany.
Aongany ireny rehefa tezitra izy.
6 Hozongozoniny hiala amin’ny toerany ny tany,
Ka mihovotrovotra ny andrin’ny tany.+
7 Omeny baiko ny masoandro mba tsy hiposaka,
Ary takonany ny hazavan’ny kintana;+
8 Mamelatra ny lanitra samirery izy,+
Ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina avo be.+
9 Izy no nanao an’ireo antokon-kintana Asha* sy Kesila* ary Kimaha,*+
Ary ny antokon-kintana eny amin’ny lanitra atsimo;*
10 Manao zavatra lehibe sady tsy takatry ny saina izy,+
Ary manao zava-mahagaga tsy voaisa.+
11 Mandalo eo akaikiko izy nefa tsy afaka mahita azy aho;
Lalovany aho nefa tsy tsikaritro izy.
12 Iza no hahatohitra azy rehefa maka zavatra an-keriny izy?
Iza no ho afaka hiteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’+
14 Koa mainka moa fa raha hamaly azy aho!
Tsy maintsy fidiko tsara ny teniko mba hahafahako miady hevitra aminy.
15 Tsy hamaly azy aho, na dia manana ny rariny aza.+
Tsy misy azoko atao afa-tsy ny mitalaho famindram-po amin’ny mpitsara ahy.*
16 Hamaly ve izy raha miantso azy aho?
Tsy mino aho hoe hihaino ahy izy,
17 Fa mamotika ahy amin’ny tafio-drivotra izy,
Ary mampitombo ny feriko tsy amin’antony.+
18 Tsy avelany haka aina akory aho;
Vokisany zava-mangidy foana aho.
19 Raha resaka hery, dia izy no tena matanjaka.+
Raha resaka fanaovana ny rariny, dia hoy izy: ‘Iza no ho sahy hanao ampamoaka* ahy?’
20 Na manana ny rariny aza aho, dia hilaza ahy ho meloka ihany ny vavako;
Na tsy mivadika mihitsy* aza aho, dia hilaza ahy ho meloka* izy.
21 Na tsy mivadika mihitsy* aza aho, dia tsy fantatro hoe inona no hanjo ahy;
Tsy ekeko* izao fiainako izao.
22 Mitovy ihany izany. Izany no antony ilazako hoe:
‘Samy haringany ihany na ny tsy manan-tsiny* na ny ratsy fanahy.’
23 Raha misy ranotrambo mahafaty tampoka,
Dia hihomehezany ny famoizam-pon’ny tsy manan-tsiny.
Raha tsy izy no manao an’izany, dia iza?
25 Mandeha haingana kokoa noho ny mpihazakazaka ny androko;+
Lasa mandositra izany, ka tsy mahita zavatra tsara.
26 Misosa tahaka ny lakan-jozoro izany,
Hoatran’ny voromahery mifaoka ny hazany.
27 Raha miteny aho hoe: ‘Hanadino ny fitarainako aho,
Ary tsy hanjonitra intsony fa ho miramirana,’
28 Dia mbola hatahotra ihany aho noho ny fanaintainako rehetra,+
Ary fantatro fa tsy hihevitra ahy ho tsy manan-tsiny ianao.
Koa nahoana aho no handrera-tena fotsiny?+
30 Na misasa amin’ny rano madio be* aza aho,
Ary manasa ny tanako amin’ny savony,*+
31 Dia halentikao ao anaty lavaka ihany,
Ka na ny akanjoko aza hankahala ahy.