Tononkiran’i Solomona
Nitady azy aho fa tsy nahita.+
2 Handeha hiarina aho, dia handehandeha eran’ny tanàna.
Aleo hotadiaviko eny an-dalambe
Sy eny amin’ny tany malalaka ilay olon-tiako.
Nitady azy aho fa tsy nahita.
3 Hitan’ny mpiambina aho, tamin’izy ireo nandehandeha nanao fisafoana tao an-tanàna.+
Dia hoy aho tamin’izy ireo: ‘Sao dia mba hitanareo ilay olon-tiako?’
4 Vao niala kely teo amin’izy ireo anefa aho,
Dia hitako ilay olon-tiako.
Notazoniko izy ka tsy navelako nandeha
Raha tsy tongako tany an-tranon’i Neny,+
Dia tao amin’ny efitranon’ilay niteraka ahy.
5 Ry zanakavavin’i Jerosalema ô!
Asaiko mianiana amin’ny gazela sy amin’ny serfavavy any an-tsaha ianareo
Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.”+
6 “Inona iny hoatran’ny setroka be miakatra avy any an-tany efitra iny?
Manitra be ilay izy, manitra miora sy ditin-kazo manitra
Ary vovoka zava-manitra isan-karazany amidin’ny mpivarotra.”+
7 “Iny ny filanjana* an’i Solomona,
Voahodidina lehilahy matanjaka 60
Avy amin’ny lehilahy israelita matanjaka.+
8 Manana sabatra izy rehetra,
Sady efa voaofana hiady.
Samy mitondra ny sabany eo amin’ny andilany izy ireo,
Satria misy zavatra mampahatahotra amin’ny alina.”
10 Nataony volafotsy ny andrin’ilay izy,
Ary volamena ny fiankinana.
Natao tamin’ny volonondry volomparasy ny fipetrahana,
Ary ny ao anatiny kosa
Nasian’ny zanakavavin’i Jerosalema haingonkaingony tamim-pitiavana.”