Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry atao Seminita. Hiran’i Davida.
6 Jehovah ô, aza tezitra rehefa mananatra ahy ianao,
Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.+
2 Iantrao aho, Jehovah ô, fa mihareraka.
Sitrano aho, Jehovah ô,+ fa mangozohozo ny taolako.
3 Mikorontan-tsaina be aho,+
Ka manontany anao hoe: Jehovah ô, mandra-pahoviana no hitohy izao?+
4 Miverena ka afaho aho, Jehovah ô!+
Vonjeo aho fa be fitiavana sy tsy mivadika ianao.+
5 Tsy afaka miresaka momba anao mantsy ny maty.
Iza ao amin’ny Fasana no hidera anao?+
6 Sasatry ny misento aho;+
Vonton’ny ranomasoko ny fandrianako mandritra ny alina;
Kotsan’ny ranomasoko ny farafarako.+
7 Reraky ny alahelo ny masoko+
Sady manjavozavo, noho ny ataon’izay rehetra mampijaly ahy.
8 Mialà eto amiko ianareo rehetra manao ratsy,
Fa ho ren’i Jehovah ny fitomaniako.+
9 Ho ren’i Jehovah ny fitalahoako famindram-po;+
Hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataoko.
10 Ho menatra be sy ho very hevitra ny fahavaloko rehetra;
Handositra izy ireo ka ho afa-baraka+ tampoka.